
Ankafizo amin'ny fijery hafa indray ny natiora malagasy
isika rehetra miaraka no afaka miaro ny tontolo iainana sy izay rehetra eo aminy, manampy ereo mpikaroka, ary ny mponina rehetra
NY FOTODRAFITRASANAY
Noho ny fiaraha-miasan'ny fikambanana Mitsinjo sy ny fanohanan'ny fikambanana EnZpire, dia nahomby tamin'ny fananganana ny valan-javaboary fitsangatsanganana an-kalamanjana voalohany teto Madagasikara izahay, teo amin'ireo hazo ao amin'ny toeram-piantsonana alan'i Mitsinjo. Faly izahay nikarakara hetsika maro niaraka tamin'ny mponina eo an-toerana sy ireo mpitsidika avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao.
Io fotodrafitrasa io dia hifototra tanteraka amin'ny fitiavana natiora ary ny tanjonay ary dia mba hizara fitiavana mianika hazo aminareo mba ahitanareo ny hakanton'ny eny ambony eny miaraka amin'ny fitaovana fiaro tsy ho latsaka
NY ATAONAY AMIN'IZAO
Ny valan-javaboary dia misokatra ho an'ny hetsika maro samihafa.
Nahafinaritra anay ny nampiantrano vondrona maro sy nampianatra momba ny zavakanto mianika hazo sy ny zavaboary.




FAKANA SARY SY SARY MIHETSIKA AVY ENY AMBONY HAZO ARY ASA FIKAROHANA

fakana sary Propithecus diadema niaraka amin'i BBC ho an'ny tetikasa planet Earth 2.
Mihanika hazo manerana an'i Madagasikara izahay, manohana ny mpikaroka hanao fikarohana mikasika ny karazana gidro sy vorona isan-karazany, manohana ny tetikasan-tsarimihetsika samihafa ambony hazo koa izahay. Ary manampy ireo mpikaroka mijery ny karazam-biby (polinisateur) an'ireny voninkazona reniala ireny.
Fihanihana hazo an-toeran-kafa

niaraka nianika hazo teny ambony reniala, Ifaty, Toliary Madagasikara
mampihanika hazo ireo mpitsidika izahay ary faritra roa no hiasanay eto Madagasikara; Ny morontsiraka Andrefana sy ny Antsinanana
FIHANIHANA HAZO

Ankizy kely mianika hazo any amin'ny valanjavaboary Mitsinjo, Andasibe Madagasikara
Ankoatry ny fikarohana dia mihanika hazo ihany koa izahay ho fanatanjahantena sy fialamboly ao amin'ny ala tropikaly Mitsinjo Analamazaotra. Ny mpizahatany sy ny mpitsidika eo an-toerana dia afaka mankafy ity orinasa fihanihana ity miaraka amin'ireo mpirahalahy mpitantana azy miaraka amin'ny fiarovan-tena maro isan-karazany.
