Ny tantaranay
Ny Fikambanana MITSINJO dia nanome alalana an'ity tontolo tsy manam-paharoa ity voalohany rehefa niara-niasa tamin'ny fikambana mpihanika hazo Mad'arbres tamin'ny taona 2005. Nanomboka teo, ireo mpihanika Malagasy roa; Manatijara Eddy Christin sy Manantsoavina Dilifera dia nifindra tamin'ny dingana manaraka niaraka tamin'ny orinasany vaovao, Gasyclimb. Nihanika hazo erak'i Madagascar ireo mpirahalahy ireo, nanohana ny mpikaroka maro hikaroka momba ny varika mena tao Masoala ary fikarohana momba an'ireo Reniala lehibe any Morondava mikasika ny biby mpandeha amin'ny alina izay manao ny polinisation amin'ny voninkazon'io hazo io. Ankoatra ny fikarohana dia manao ilay fihanian-kazo ho fanatanjahan-tena sy fialam-boly mahafinaritra ihany koa izy ireo. Ny mpitsidika an'ANDASIBE dia afaka mankafy ny fihanian-kazo miaraka amin'ireo mpirahalahy miaraka amin'ireo fitaovana fiaro.
ireo mpirahalahy nanorina ny orinasa Gasyclimb
Ireo mpikambana ao amin'ny Gasyclimb
Manatijara Eddy Christin
​
Mpitantana ny orinasa Gasyclimb Madagasikara
Jean Marcel
​
Mpihanika hazo ao amin'ny orinasa Gasyclimb
Marolahy George
​
Mpihanika hazo ao amin'ny orinasa Gasyclimb
Manantsoavina Dilifera
​
Mpandrindra ny orinasa Gasyclimb Madagasikara
Ny fomba fijerinay
Maniry mafy izahay ny hampahafantatra ny olona bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ny hakanton'ny natiora amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara azy ireo amin'ny hetsika fiakarana hazo .
“Tianay ny natiora, hajainay ny tontolo iainana, ny fihanihana hazo dia tena mahafinaritra anay TIANAY NY ZAVATRA ATAONAY ."
​
~ Eddy Christin.M
​
Ny iraka ifotoranay
Ny tanjonay dia ny handray anjara amin'ny ezaka fiarovana amin'ny faritra Andasibe amin'ny alalan'ny fampianarana sy fampahafantarana ny mpizahatany ny maha tsara sy ny maha-zava-dehibe ny hazo amin'ny alàlan'ny fampandraisana anjara azy ireo amin'ireo hetsika izay:
1) miankina amin'ny firafitry ny hazo 2) maneho ny hatsaran'ny natiora sy ny manodidina azy