top of page

Zahao ny hakanton'ny Ala sy ny manodidina azy hita avy eny ambony 

Maro samy hafa ny  hetsika fihanihana hazo azonay atolotray ho an'ny olon-dehibe sy ankizy toy ny; tyrolienne, Pont de singe, fialantsasatra anaty fandriana lamba, fihanihana hazo amin'ny alina,…

Tsidiho ny valan-javaboary misy anay

Hanolotra sakantsakana sy lalao fihanihana eny amin’ny hazo ny valan-javaboahary misy anay.

Ny lalana sakantsakana voalohany ataontsika dia miasa tanteraka amin'izao fotoana izao, sariaka ho an'ireo vao manomboka, ankizy ary mpitia fitsangatsanganana!

TYROLIENNE LEHIBE

LARGE ZIPLINE

Tariby mifatotra amin'ny zoro roa samy hafa, manana ahavo 25 metatra izay mampikorisa haingana amin'ny hafainganam-pandeha mafimafy, manodidina ny 120 metatra ny halavirana. Hetsika tena mahavariana izy io.

Fihanihana misy mpiahy

MOULINETTE

misy tady iray mandalo baka ary midina amin'ny ilany. ny ilany ho an'ny mpihanika ary ny ilany ho an'ny mpiantoka(mpiahy). Ny mpihanika dia mampiasa ny rantsan-kazo hiakarana amin'ny tampon'ny hazo ary ny mpiantoka kosa dia mihazona azy avy ety ambany. Raha vantany vao eo an-tampony izy, dia miditra anaty fandriana lamba ilay mpihanika ary manararaotra mankafia ny hakanton'ny eny ambony, mihaino ny feon'ny babakoto sy ny hiran'ny vorona. Ity hetsika ity dia entina hanomezana fahafaham-po ny mpitsangatsangana hankafia ny eny ambony izay fijery hafa tokoa

Fihanihana hazo amin'ny alina

BIVOUAC NIGHT

Ity hetsika ity dia ahafahanao manalavitra ny adin-tsaina amin'ny fiainana andavanandro ary miaina alina eny ambonin'ny hazo. Ireo mpitsangatsangana dia ho voaro mafy eny ambony hazo, misy fandriana lamba eny ambony eny mba ahafahan'izy ireo miala sasatra mandritra ny alina miaraka amin'ireo mpikambana  matihanina sy voaofana izay mijanona anaty tente eo am-pototry ny hazo mandritra ny alina manontolo ho fiarovana.

working together

Andeha isika hiaraka anao zavatra tsara

bottom of page